1 Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita ? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima.

2 Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboampenao, Nataon'ny tnan'ny mahay zavatra.

3 Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby Sady voaravaka lilia manodidina.

4 Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.

5 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, Dia eo am-bavahadin'ny tanna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, Izay manandrify an'i Damaskosy.

6 Ny lohanao dia tahaka an'i Karmeia, Ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!

7 Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra hianao, Ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao!

8 Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.

9 Hoy izaho: Hananika ny rofia aho Ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, Ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,

10 Ny vavanao dia toy ny divay tsara, Eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako Sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.

11 An'ny malalako aho, Sady manina ahy izy.

12 Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambani-vohitra isika.

13 Dia aoka hifoha maraina koa ho any antanimboaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, Sy mivelatra ny voniny, Ary mamony ny ampongabendanitra; Any no hanehoako ny fitiavako anao.

14 Mamerovero tsars ny dodaima, Sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, Na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.
